Zaza nisy nanolana: Nivoaka ny hopitaly noho ny tsy fisiam-bola, nefa tokony handalo fandidiana

  • mercredi, 15 mai 2019 22:00
  • Sary nomena

Tao Bemanevika Sambava no nitrangan’ity herisetra ara-nofo ity ny 18 martsa 2019. Lasibatra tamin’izany i Raelisoa Canizia, izay zazavavy kely vao 09 taona monja.

Nitondra takaitra mihitsy ilay zaza, satria rovitra ny fivaviany sy ny lava-bodiny. Ny anadahin-drenin’ilay zaza ihany no nahavanon-doza.

Efa herinandro taty aorian’ny fanolanana vao tsikaritry ny ray aman-dreniny fa hafahafa ilay zaza. Ity farany izay niaritra sy nanafina ny nanjo azy noho ny fandrahonana ho faty nataon’ilay dadatoany, nanolana azy.

Nametraka fitoriana ny Ray aman-drenin'ilay zaza. Nosamborina ilay nahavanon-doza ary tazomina am-ponja vonjimaika ao Antalaha amin’izao fotoana.

Ilay zaza kosa notsaboina tao amin’ny hopitalibe Besopaka Sambava, taorian'ny fotoana nahitana ilay tranga fanolanana.

Voatery nivoaka hopitaly androany anefa ilay zaza fa tsy manam-bola hanohizana ny fitsaboana ny ray aman-dreniny, na mba nanao fangatahana fanampiana tamin’ny malalatanana aza Rtoa Zafizara Antonia reniny (032 45 308 95).

Tokony hodidiana anefa i Canizia amin’ny 17 mey 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.