Haintrano teo Ambodivona: 2 miliara Ariary eo ny teti-bidin’ny entana simba sy may

  • jeudi, 09 mai 2019 16:48
  • Sary nindramina

Trano hazo mivarotra « brocanteur », fivarotana hani-masaka, entana madinika ary kojakoja momba ny lamba sy zaitra miisa 80 no levon’ny afo tanteraka tetsy Ambodivona Boriborintany fahatelo Antananarivo Renivohitra ny alin’ny 08 mey 2019.

Fifampikasohana tariby mitondra herinaratra avy amin’ny mpivarotra enta-madinika iray no niandohan’ny afo tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina ka nahatonga ny loza.

Tsy nisy ny aina nafoy fa tombanana teo 2 miliara Ariary eo ny teti-bidin’ny entana simba sy may tamin’izany araka ny nambaran’ny tompon'andraikitry ny tsenan’Andravohangy.

Nanambara Razafintsalama Hery, Delegen’ny Boriborintany fahatelo, raha nidina teny an-toerana androany maraina fa hatao laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ny tsena may satria io no fitadiavan’ny vahoaka.

Hisy ny famoriana ireo mpivarotra hanentanana azy ireo amin’ny fanorenana tsena biriky. Tsy tokony hisy intsony ny tsena hazo satria mora mitera-doza, hoy ny Delege.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.