Soamandrakizay: Miroso ny fanamboarana ny toerana handraisana ny Papa François

  • lundi, 22 avril 2019 17:48
  • Sary Gasypatriote

Efa am-perinasa tanteraka ireo mpanamboatra ny toerana andraisana ny Papa François, izay toerana an'ny Ekar fa noraisin'i Filoha Andry Rajoelina an-tanana ny fanamboarana azy, satria filoham-panjakana ihany koa ny Papa.

Nambaran’ny Solontenan'ny Fiketrahana masina monina sy mipetraka eto Madagasikara, teo amin'ny Nonciature Ivandry, ny Alarobia 27 marsa tolakandro moa fa hanao fitsidihina apostolika eto Madagasikara ny Papa Ray Masina François, ny 6 ka hatramin'ny 8 septambra 2019.

Avy atsy Mozambika ny Papa no ho avy hamangy an’i Madagasikara. Izy no Ray Masina Katôlika faharoa taorian’i Papa Joany Paoly II (1989) hitsidika an’i Madagasikara. Ny Fivondronamben'ny Eveka no mizaka ny fandaniana ara-bola, hoy ny Nonce Apostolique izay Masoivohon'i Vatican eto amin'ny Ranomasimbe Indianina.

Ny filoham-pirenena mivady no hitsena sy handray an-tanana azy voalohany eo ampahatongavana eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny zoma 6 Septambra tolakandro. Hitohy amin'ny fitsidihina eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha izany.

Hisesy ny fihaonan’i Papa Ray Masina amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny firaisamonim-pirenena. Hihaona amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana katolika izy. Hitarika lamesa lehibe eto Antananarivo i Papa François ny alahady 8 Septambra.

Hiazo ny Nosy Maorisy izy ny alatsinainy 9 Septambra ary miverina eto Madagasikara ny harivan'io ihany.

Ny talata 10 Septambra ny Papa no hiverina hitodi-doha any Vatican.

Nanipika ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène fa tsy ho tratra amin’io fitsidihan’i Papa François io ny fananganana ho Olomasina an’i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra.

(Sary Gasypatriote: Soamandrakizay ambadiky ny Paul Minault Androhibe)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.