Masindray Fambolen-kazo: Zanakazo 1000 isa no nambolen'i Lanto RAKOTOMANGA sy ireo mpiara-dia aminy

  • lundi, 22 avril 2019 11:09
  • Sary nomena

Notontosaina taty Masindray ny fambolen-kazo niaraka tamin'ny kandida ho solombavambahoaka Lanto Rakotomanga sy ireo mpiara-dia aminy. Tafiditra anatin'ny programanasan'ny Filoha Andry RAJOELINA tokoa izany hoy i Lanto RAKOTOMANGA, tsy maintsy mandray andraikitra isika hoan'ny taranaka fara mandimby ary koa hoan'ny firenena.

Niara nientana ny tsirairay, na vavy na lahy, na tanora na be antitra tamin'ny fanatanterahana izany. Natao ihany koa izany fambolen-kazo izany ho firaisankinan'ny tsirairay ary ho mariky ny fifankatiavana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.