Fenoarivobe: Enina tamin’ireo mpitrandraka volamena folo lahy maty tototry ny tany no hita

  • mercredi, 17 avril 2019 15:05
  • Sary nindramina

Nitrandraka volamena tany anaty lavaka hatrany amin’ny 19m izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany tamin’ny sabotsy 13 aprily teo. Enina, tamin’izy folo lahy, ny razana hita. Mety hatsahatra ny fikarohana ireo razana sisa noho ny fahasarotan’ny fikarohana. Hasiana marika hita maso ho fahatsiarovana eo amin’ilay toerana namoizan’izy ireo aina.

Raha tsiahivina dia olona folo no maty tototry ny tany ka ny 06 no hita faty raha nandamoaka kosa ny fikarohana ny efatra ambiny.

Nandefa iraka amin’ilay toeram-pitrandrahana volamena nitrangan’ny loza ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ny alatsinainy teo mba hijery ny zava-misy marina ary hitondra vahaolana, raha ilaina.

Nahitana solontena avy amin’ireo sampandraharaha eo anivon’ny Ministera io delegasiona io, dia ny avy amin’ny fitsirihana ny harena an-kibon’ny tany, ny sampandraharaham-paritra, ny solontenan’ny “Agence Nationale de l’Or” (ANOR) ary ny solontenan’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany.

Ny Ministera tomponandraikitra ihany koa dia mampatsiahy ireo mpitrandraka rehetra mba hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna raha toa ka tsy mbola ao amin’izay mba hisorohana ny mety ho loza, fa indrindra ihany koa mba hametrahana ny mangarahara mba ho fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.