Faritra Boeny: Trano fianarana miisa 16 no voatsangana tamin’ny tahirim-bola FDL

  • samedi, 13 avril 2019 13:09
  • Sary: Région Boeny

Trano fianarana ho an’ny CEG miisa 14, lycée iray miaraka amin’ny tranon’ny kilasy mandry zazavavy mahazaka mpianatra 4, samy miampy fampitaovana, trano fivoahana sy vovon-drano ary zaridaina fambolena anana, ary làlan-tany mirefy 45km. Ireo no vokatry ny fampiasana ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana ifotony andiany voalohany na FDL (Fonds de Développement Local) teto amin’ny faritra Boeny.

Tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny FDL, Raharinjatovo Hanitra io raha nitsidika ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Bazezy V. Clavelah izy ny alakamisy 11 aprily 2019 tao amin’ny Bloc Administratif Ampisikina Mahajanga.

Mitentina 11 tapitrisa Euros no nanaovana ireo foto-drafitr’asa ireo. Kaomina miisa 14 sy ireo Fivondronamben’ny Kaomina ao amin’ny OPCI (Organisme Public de Coopération Intercommunale) eto Boeny no nampiasana io FDL andiany voalohany io.

Hanomboka ny Septambra 2019 ny andiany faharoa amin’ny FDL, ary hitombo 16 tapitrisa Euros izany. Ny Kaomina rehetra eto Boeny, miisa 45, ankoatra an’i Mahajanga renivohitra, no hisitraka izany famatsiam-bola faharoa izany. Anisan’ny nangatahin’ny Lehiben’ny faritra mpisolotoerana famatsiambola FDL ny fampiharana ny Dinan’i Boeny Miray Dia” izay vao nasiam-panavaozana, ho fanatsarana ny fandriampahalemana aty amin’ny faritra.

Mba hisian’ny fampandrosoana maharitra dia nametraka komity misahana ny fanaraha-maso sy ny fikojakojana ireo foto-drafitr’asa vaovao vita rehetra ny Ministera.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.