Andravoahangy – Antananarivo III: Amboarina ny tsenan’ny solomaso

  • lundi, 18 mars 2019 19:57
  • Sary nomena

Mba hialana amin’ireo trano hazo izay mora mirehitra, izay mpitranga matetika, dia nanapa-kevitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa hosoloina ireo trano hazo, ary atao trano biriky, etsy amin'ny mpivarotra solomaso Andravoahangy.

Miisa 153 ny isan'izy ireo, ary hatao mitovy avokoa ny trano fivarotana, ka ireo mpivarotra ihany no miantoka ny fananganana azy, fa ny Kaominina kosa no manara-maso ny fananganana ny foto-drafitrasa, ary manome toerana vonjimaika ho an'ireo mpivarotra.

Nanomboka androany 18 martsa 2019 ny fandravana, ary haharitra iray volana eo ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.