Loholona Brigitte Rasamoelina: Nizara traikefa ho an’ny tanora

  • mardi, 12 mars 2019 07:07
  • Sary nomena

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra sy fampianarana narahina fanontaniana ho an’ny tanora eo anivon’ny fikambanana FIFITAMA sy Kintan’ny Gasikara teny amin’ny Centre Universitaire Jésuite d’Ambohidempona Antananarivo II ny Loholona Brigitte Rasamoelina sy ireo mpiara-miasa aminy ny sabotsy 09 martsa 2019.

« Tanora sy ny fitiavana manoloana ny finoana sy ny fanatontolona ary ny soatoavina malagasy », io ny lohahevitra niompanan’ny famelabelaran-kevitra noho ny fahatsapana fa manana andraikitra amin’ny fanabeazana maha olom-pirenena sy fitaizana ny tanora ny vehivavy mpanao politika.

Tanjona ny mba hanànana tanora matotra sy miorina tsara eo amin’ny fiatrehana ny fiainana ho antoky ny fampandrosoana ny firenena.

Niara-niasa tamina raiamandreny aram-panahy izy ireo tamin’ny fanatanterahana ity famelabelaran-kevitra ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.