Antsirabe: Nanatanteraka asa fitsaboana ny Rotary International District 9220

  • samedi, 09 mars 2019 20:35
  • Sary nomena

Manatanteraka asa fitsaboana ao Antsirabe, ny 16 febroary ka hatramin’ny omaly 8 martsa ny Distrika 9220 ao amin’ny Rotary International. Marary 35.000 no notsaboina tamin’ny asa nataon’ny Rotary tao Antsirabe, ary mpitsabo 18 sy mpilatsaka an-tsitrapo 14 no nanatanteraka izany.

Nihaona tamin’ny Praminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny mpitarika ity vondrona ity niresaka ny sehatra hiaraha-miasa ho tohin’io asa tao Antsirabe io.

Rehefa nijery ny toerana fitsaboana nify tao amin’ny hopitalin’Antsirabe mantsy ity vondrona ity dia nangataka fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahasalamana, izay hiompana indrindra amin’ny fanatsaràna izany toerana izany, ka ny governemanta Malagasy no hiandraikitra ny fanavaozana ny trano, ary ny Rotary kosa no hanolotra fitaovana.

Ny seza fitsoran’ny olona tsaboina nify no fitaovana noresahina mivaingana, ary ho fitsinjovana ireo ankizy tsaboina izany, izay hita fa maro tokoa. Mikasika ny fanafarana ny fitaovana hatolotra kosa dia mangataka ny fanomezan-tanan’ny governemanta amin’ny fampidirana eny amin’ny ladoany ny Rotary.

Nambaran'i Praiminisitra fa hodinihin’ny governemanta ny hanatanterahana ny tolotra fiaraha-miasa avy amin’ny Rotary. Nomarihiny fa hivaingana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny fanomezan-tanana avy amin’ny Rotary, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.