Sambava: Nampiantrano ny fankalazana rejionaly ny Andron'ny vehivavy taty SAVA

  • vendredi, 08 mars 2019 19:34
  • Sary Gasypatriote Sambava

Notanterahina teto Sambava renivohitry ny Faritra SAVA ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ho an'ny Faritra SAVA, izay nosantarina tamin'ny diabe (carnaval) namakivavy ny tanàna niazo ny kianja Monisipaly.

''Zo sy andraikitry ny vehivavy amin'ny fampandrosoana", io no nahindrahindra nandritra ny fandraisam-pitenena. Raha ny aty SAVA manokana dia efa misy ny ezaka kely vita toy ny fanaovana trano fidiovana manara-penitra ny Vohémar. Tao Antalaha sy Andapa indray dia fanorenana lakozia ho an'ny hopitaly. Eto Sambava kosa dia hametrahana jiro manazava eny amin'ny fidirana amin'ny hopitalibe Besopaka.

Somary mbola tara kosa ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin'ny sehatra politika, hoy ny Lehiben'ny Faritra vonjimaika Sabotsy Samuel satria Ben'ny Tanàna roa ihany no mba vehivavy amin'ireo Kaominina miisa 86 ato SAVA.

Nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana manokana ireo vehivavy nahavita be tamin'ny fampandrosoana.

Nambara fa any Vohémar indray no hampiantrano ny fankalazana ny 08 Martsa amin'ny taona 2020.

Nangataka tamin'ireo any amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha mba hosaziana mafy ireo lehilahy mikasi-tanana na manao herisetra amin'ny vehivavy, ary tsy avela mora ihany koa izay mandositra adidy ka tsy mikarakara zanaka, hoy ny Prefen'i Sambava Bemananjara Boniface izay nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ity lanonana ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.