Bemanevika – Sambava : Tsy maintsy mitondra kitay in-droa isan-kerinandro ny mpianatry ny EPP

  • mercredi, 06 mars 2019 19:21
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tany Ambatojoby ZAP Bemanevika no nahitana fa tsy maintsy mitondra kitay ny ankizy mpianatry ny EPP isaky ny Talata sy Zoma maraina.

Samy amin'ny fitsinjirany avokoa izany, ka ny T2 mitondra kitay roa, ny T3 dia telo ary T4 dia efatra ary ny T5 mitondra kitay dimy isan’ankizy, ary isaky ny Talata sy ny Zoma io.

Maro ny sekolim-panjakana any ambanivolo ahitana tranga toy izao hanampiana ny talen-tsekoly mba hanana fotoana hifantohana amin'ny fampianarana fa tsy ny kitay intsony no ho sakana, ary matetika natao ihany koa mba hanabeazana ny ankizy koa rehefa lehibe izy mba ho zatra manao asa aman-draharaha fa tsy ho kamo lahy na kamo vavy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.