Lalam-pirenena faha-31, 32, 5A: Mampitaraina ny olona ny haratsian-dalana

  • mercredi, 06 mars 2019 13:17
  • Sary nindramina : Radio Mangarahara 102.4 MHz

Zary mitoka-monina tsy fidiny ny mponina any Bealanana, Mandritsara ary SAVA noho ny haratsian-dalana, indrindra amin’izao vanimpotoana fahavaratra mahabe rotsakorana izao. Lany vola sy fotoana ny mpampiasa lalana. Tsy tafavoaka ny vokatra, etsy ankilany midangana ny vidim-piainana.

Na ny fiara tsy mataho-dalana aza lahoana vao tafavoaka amin’ny lalam-pirenena faha-31, mirefy 129 km eo, mampitohy an’Antsohihy amin’i Bealanana ; toy izany koa ny lalam-pirenena faha-32, mirefy 200km eo, mampitohy an’Antsohihy amin’i Mandritsara, ary ny lalam-pirenena faha-5a, mampifandray an’Ambilobe amin’ny Antalaha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.