Antananarivo: Nanjary andavanandrom-piainan’ny mponina ny delestazy

  • lundi, 04 mars 2019 14:12

Tsy misy lera intsony fa na andro na alina, tapaka ny jiro.

Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Jirama tamin’ny 18 febroary 2019 fa ho famahana ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra noho ny delestazy dia nandray fepetra niaraka ny Ministeran’ny Angovo, ny rano, ary ny akoranafo sy ny mpitantana ny orinasa Jirama, nanomboka ny sabotsy 16 febroary teo, fa hampitomboina avo roa heny ny solika ampiasaina amin’ireo foibem-pamokarana herinaratra mampiasa solika eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), mba hanonerana ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra vokatry ny tsy fahampian-drano amin’ireo foibe mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, Mandraka, Antelomita, Sahanivotry, Tsiazompaniry ary Manandona, saingy ny teo ihany no teo, ary nisesy aza ny fahatapahan-jiro tato ho ato.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.