Fambolen-kazo: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 02 martsa

  • jeudi, 28 février 2019 15:07

Hotanterahina any Analameva-Antsirinala ao amin’ny tanin’ny Fanalamanga, ny sabotsy 02 martsa 2019 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fambolenkazo, ka ny lohahevitra amin’ity taona 2019-2020 ity dia ny hoe : « Ho rakotra Ala i Madagasikara !».

100.000 hekitara isan-taona ny ala rava eto Madagasikara. Mirefy 8.6 tapitrisa hekitara no misy ala voajanahary.

Tetibola mitentina 2.5 lavitrisa Ariary izay voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana ho an’ny fampiasam-bola PIP 2019 no nomena ny Ministeran’ny Tontolo iainana hoentin’izy ireo miady amin’ny dorotanety sy ny fandrakofana ala ny faritra isan-tokony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.