Andapa: Mirongatra ny halatra moto

  • jeudi, 28 février 2019 14:59
  • Sary nomena

Ireo moto marika « Honda » no tena lasibatra aty amin’ny Distrikan’Andapa. Miezaka ny mpitandro filaminana, misy olon-dratsy voasambotra atolotra ny Fitsarana rehefa vita famotorana, saingy tsy ela dia votsotra.

Tamin’ny volana desambra 2018 iny izao dia nisy mpangalatra moto tratra ambodiomby. Moto « Honda » halatra roa be izao no tratra taminy. Natolotra ny Fitsarana Antalaha. Natao ny 22 desambra 2018 ny raharaham-pitsarana, sazy mihantona 2 taona no azony.

Tamin’ity herinandro ity, izao tsy latsaky ny 4 ny moto very, ka mampitaraina ny olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.