Jirama: 45 miliara Ariary isam-bolana ny vola aloany amin'ireo orinasa vahiny mpamokatra herinaratra ho azy

  • lundi, 25 février 2019 21:18
  • Sary nomena

“Amin’ny herinandro ambony io dia tokony ho vita ny fifanarahana vaovao eo amin’ny Ministera sy ireo rehetra mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Jirama”, hoy ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, androany, raha nitsidika sy nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra teny amin’ny toby mpamokatra herinaratra an’ny orinasa Jirama eny Ambohimanambola ny delegasiona nahitana ny minisitry ny Angovo, ny Rano ary Akoran’afo, ary ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Jirama notarihin’ny Tale jeneraliny.

Ny fitsidihana dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fanarenana ny Jirama.

Nanamafy ny Praminisitra fa tanjona ny tsy maintsy hampihena ny saran’ny tolotra avy amin’ny Jirama kanefa jerena izay tsy hahafaty antoka ity orinasam-panjakana ity.

Nambarany fa 11 tapitrisa dolara (45 miliara Ariary) isam-bolana ny vola aloan'ny Jirama amin'ireo orinasa tsy miankina mpamokatra herinaratra ho azy nefa tsy voatsinjara hampiasana akory.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.