Tehina fotsy - Olona manana kilema: Ampio izy ireny, azo omena asa ireo olona manana kilema

  • lundi, 11 février 2019 21:03
  • Sary nindramina

Olona jamba no mitondra ireny tehina fotsy ireny. Efa ianarany ny lalana falehany, ka misy repère izy, amin'izay lalana alehany izay. Rehefa maro anefa ny olona, ary indraindray dia miala ilay repère ahitany ilay lalany, dia sahirana izy.

Ny mampalahelo dia vitsy isika no manampy azy ireny, misy aza ny fiara, na mba hijanona andefa azy hiampita aza dia tsy atao.

Ny taxibe moa dia efa tsy resahina, raha esorinao an-tenan-dalana izy, dia very repère izy, tsy fantany ilay toerana analanao azy. Mbola tsy tafiditra izy dia efa ny andao ihany no mahamaika ny resevera.
Rehefa raikitra moa ny mêlée hiditra taxi-be, dia tsy misy te halala izay olona manana kilema izany intsony, dia tratra hariva lava eo izy.

Tokony iantohan'ny fanjakana tanteraka ny fitaovana ampiasain'izy ireny, ny fitsaboana azy, ny fiofanana.

Tsy vesatra ho an'ny fiaraha-monina akory ireo olona manana kilema ireo.
Omeo azy ireo ohatra ny fanaovana ny Sainam-pirenena, aza misy avela hanao izany asa saro-pady izany ny mpanjaitra izay maro ny tsy manaja akory ny fenitra momba ny Sainam-pirenena, mbetika, maitso tanora, mbetika maitso antitra, mbetika misy kiramborambo, ao aza moa no tsy manaja refy.

Omeo azy ireo, na ny jamba, moana, marenina, na olona manana kilema, ny fanaovana ny ankanjon'ny miaramila, ny tablier zaraina sy ireny kitapo kit scolaire ireny, maninona isika miala vola amoronana asa any Chine, ka any no manafatra zavatra vita eto, nefa azo anomezana asa ireny olona manana kilema ireny.

Esory ny hetra na IRSA ho an'izay orin'asa mampiasa ireo olona manana kilema ireo, afaka manao phoning, na call center ireo, ny asa informatique, ny standard téléphonique, asio toerana fanofanana. Tsy mihoatra ny 10% n'ny Malagasy ireo olona manana kilema ireo, ary mampalahelo fa dia tratran'ny kilema indroa, satria efa voa ny vatana, nefa mbola lasa mpangataka sy mahantra ihany koa.

Tandremo ny fiantsoana azy ireo, aza atao hoe "kilemaina", fa "olona manana kilema". Personne handicapée, fa tsy "les handicapées", olombelona izy ireo.

Asio ilay fandikan-teny ho an'ny olona marenina, ny télévision. Ny TVM aloha manao ihany amin'ny vaovao, fa mbola mila ezaka amin'ireny andro lehibe sy lanonam-panjakana ireny.

Tsy mangataka na mila fihantrana, na fitserana, fa mila omena ny zo mifanaraka amin'ny vatany.

Ny Tanàna izany tokony hiezaka anisy ireny lalana ahafahan'izy ireo mandeha, ny faritra fiampitana, ireny repère ireny. Ny WC mifanaraka aminy, ny parking ho azy ireny, ny fidirana ny birao, rampe, ny haben'ny varavarana...

Mirary soa e.
Patrick

(Sary nindramina)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.