Loza teny Tsimialonjafy, Ampamarinana : Nandefa teny fiaraha-miory ny filoha Andry Rajoelina

  • mardi, 22 janvier 2019 15:52

« Maneho ny fiaraha-miory sy mirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo », ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, manoloana ny fihotsahan’ny tany teny amin’ny Fokontany Tsimialonjafy, Ampamarinana, ny alin’ny sabotsy 19 janoary 2019 lasa teo, izay namoizina ain’olona sy nisiana naratra ihany koa.

Mankahery azy ireo ihany koa, ny Filohan’ny Repoblika, noho izao voina mianjady izao, ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo mbola andalam-pitsaboana.

Efa nandray andraikitra tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana mahefa ny Praministra lehiben’ny Governemanta sy ireo ministra, hoy ny fanambarana. Ny Filohan’ny Repoblika kosa dia manamafy ny fisaorana ireo tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratongany, ny mpamonjy voina, sy ireo olom-pirenena rehetra niara-nisalahy nandritra ny fitrangan’ny loza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.