Moramanga: Manomboka ny fanamboarana ireo lalankely

  • vendredi, 18 janvier 2019 17:31
  • Sary nomena

Lalankely mirefy 182 metatra no ho vitaina ao anatin'ny iray volana. Fokontany Tsarahonenana sy Moramanga Ambony no hisitraka ity fanamboarana ity.

Famatsiam-bola avy amin'ny fitondram-panjakana no nahafahana nanao izao tetik'asa izao raha toa ka ny alarobia 16 janoary 2019 no nanomboka ny asa, izay tantanin’ny tetik'asa CCPREAS, sampana iray eo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitatanam-bola.

Nanao fangatahana ny solombavambahoakan’i Moramanga Randriamahefa Charles ary tamin'ny alalan'ny fikambanana FIZAFA no hanatanteraka ny asa.

Maro ireo Fokontany efa miandrandra ny toy izao izay efa nahatonga fangatahana ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.