EPP Ampefiloha Ambodirano: Hioty ny vokatra tamin’ny tetikasa fambolena an-drenivohitra

  • jeudi, 10 janvier 2019 14:15
  • Sary nomena

Vokatra tsara avokoa no azo tamin’ny fambolena tamin'ny tetik'asa "Fambolena an-drenivohitra", na "agriculture urbaine", izay nokarakarain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, isaky ny EPP manerana an' Antananarivo Renivohitra.

Hita nisongadina tao anatin'izany ny EPP Ampefiloha Ambodirano, Boriboritany faha-4.

Raha tsiahivina dia iray volana lasa izay no nanomboka namboly ny ekipa avy tao amin'io EPP io, ka tonga amin'ny fotoam-piotazana ny vokatra izy ireo ankehitriny.

Hisitraka izany avokoa ireo ankizy mpianatra eny amin'io EPP io. Hahazo tohana ara- tsakafo izy ireo ho entina hamakivaky indray ny taom-pianarana.

Araka ny tanjona dia natao izao tetik'asa izao mba hanampiana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra eny amin'ny EPP, ary ho fampandraisana anjara ihany koa azy ireo amin'ny fitiavana fambolena sy ho fiarovana ny tontolo iainana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.