Antsirabe faharoa: Nizara fitaovana

  • dimanche, 23 décembre 2018 14:53
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 21 desambra teo ireo fitaovana novodiana tamin'ny alalan'ilay Fonds d'Appui au Développement tantanan'ny solombavambahoaka amin'ny alalan'ilay C.L.D izany; ho an'ny Distrikan'Antsirabe faharoa.

Moto niisa 20 moa ho an'ireo Ben'ny Tanàna, ordinatera niisa 8 niampy Imprimante niisa 4 sy seza niisa 32 ary fanaka fandraisam-bahiny kosa ho an'ireo biraom-panjakana ao Antsirabe faharoa ao ihany.

Tonga nanolotra izany ireo solombavambahoaka mianadahy voafidy tao Antsirabe faharoa io omaly io, niaraka tamin'ny lehiben'ny Distrika.

Nanafatra ity farany fa hifandovan'ny Ben'ny Tanàna ny moto fa tsy fananan'ny Ben'ny Tanàna ankehitriny akory.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.