SAVA: Faritra mena amin’ny fandalovan'ny rivodoza isan-taona

  • vendredi, 16 novembre 2018 09:56
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voafidy manokana hanaovana atrik’asa hisorohana ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio aorian’ny fandalovan’izany rivodoza na 

mety ho ranobe izany ny eto Sambava, ka mba ho fotodrafitr’asa mahatanty izany no apetraka eto, izay hanofanana ireo orinasa ato amin'ny Faritra SAVA ary ireo ‘’bureau d’étude’’ izay manao fanadihadiana mialohan’ny tetik’asa.

Nilaza ny Lehiben’ny Faritra Velomaro Faustin mba tsy ho hita aty SAVA intsony ny firaisana tsikombakomba amin’ireny mpanome tetik’asa mitaky ampahafolony amin'ireo izay hanao ny asa ireny, satria raha tsy foana io dia ho ratsy fototra ny asa, ratsy ny kalitao ka aoka izay ny kolikoly.

Nanomboka omaly ny atrik’asa ary haharitra hateloana.

Ireo avy ao amin’ny CPGU (Cellule de Prévention et Gestion des Urgences ) ao amin’ny Primatiora no mitarika izany amin’ny alalan'ny Sekretera mpanatanteraka, Général de Brigade Aérienne Razakanaivo Maminirina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.