Tsifanjariantsakafo mitarazoka: Mihoatra ny 60% ny taha amin'ny Faritra efatra

  • mercredi, 14 novembre 2018 12:33
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tontosaina mandritra ny herinadron’ny 12 novambra ka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao ny Atrikasam-paritra ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara.

Ho an’I vakinankaratra manokana dia ny 12 sy ny 13 novambra no nanaovana izany.

Raha tsahivina dia ny 09 mey 2018 no nanombohana ity tetikasa FAFY ity, na ny “Fanjariantsakafo sy Fahasalamana Ifotony”, tao Andriambilany-Ambatolampy Vakinankaratra, ary izao hatomboka izao ny asa.

Faritra miisa 8 manerana an’i Madagasikara moa no hanaovana ity tetikasa ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ity, saingy Faritra 4 aloha no hanombohana izany izao amboalohany izao dia i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Itasy ary Matsiatra Ambony. Ireo faritra ireo dia mbola maherin’ny 60% ny izay tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka izay, ka ao anatin’ny 10 taona dia ezahina hihena hatrany amin’ny 30% izany.

Ny reny bevohoka sy ny zaza latsaky ny 2 taona no hisitraka ity tetikasa ity amin’ireo faritra hisitraka izany, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Governemanta Malagasy sy ny “Power of Nutrition” ary ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny O.N.N na ny Ofisimparitry ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.