Kardinaly Tsarahazana Désiré: Misy misandoka mangata-bola amin’ny anarany ao anaty Facebook

  • dimanche, 02 septembre 2018 19:05
  • Tahirin-tsary

Nisy nisandoka tamin’ny fangataham-bola ny anaran’ny Kardinalin’i Madagasika Tsarahazana Désiré. Tsy niandry ela dia namoaka fanambarana ny mompera Adoré misahana ny seraseran’ny Arsidiosezin’i Toamasina milaza fa : « Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana dia tsy manao facebook ary tsy manana kaonty facebook ; koa mampitandrina an'izay olona mampiasa ny anarany na ny sariny na mitonona ho izy any amin'ny tambazotra sosialy rehetra, ka mampiasa ny anarany mba hamitahana ny mpiara-belona. Entanina koa isika mba samy hitandrina sy ho mailo manolona an'ireo tsy kely lalana! Reseo amin'ny soa ny ratsy ».

Na nanafintohina ny mpino Katolika, ary ny Malagasy maro ny zava-nisy, dia tsy hitory ny eo anivon’ny Fiadiadin’ny Kardinaly sy ny Arsidiosezin’i Toamasina, noho ilay tanjona napetraky ny Kardinaly hoe : “Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” sy amin’ny maha-olom-piangonana sy amin’ny maha-raiamandreny an’i Kardinaly no antony. Na izany manaitra ny rehetra ho mailo amin’ny zava-misy koa izy ireo fa tsy kely lalana ny ratsy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.