Ampanihy: Hopitaly tsy misy dokotera mpandidy

  • dimanche, 02 septembre 2018 13:13
  • Sary nomena

Nahazo toeram-pandidiana (Bloc opératoire) vaovao Ampanihy. Miorina eto an-drenivohitry ny Distrika ary tonga nitokana izany taty an-toerana ny filohan'ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny 5 jolay 2018.

Noheverina hamaha olana ho an'ny marary mila fandidiana maika toy ireo vehivavy saro-piterana izy io saingy indrisy, tsy misy dokotera mpandidy ao.

Voatery entin'ny fianakaviana any Fotadrevo na ao amin'ny hopitaly SALFA Loterana ao Ejeda ireo marary mila izay fandidiana Izay, ka anairan'ny mponina eto Ampanihy ny ministeran'ny fahasalamana hijerena vahaolana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.