Italie: Tsy hanatrika ny fandevenana nasionaly karakarain'ny fanjakana ireo fianakaviana maro

  • samedi, 18 août 2018 11:10
  • Sary nindramina Ouest France

Efatra andro lasa izay no nirodana ity tetezana avo be tany Gênes Italie ity, ka namoizana ain'olona 38 hatreto.

Atao anio sabotsy, atrehan'ny Filoha italianina, Sergio Mattarella, ny fiombonam-bavaka lehibe izay tarihan'i Arsevekan'ny Gênes, ho fanomezam-boninahitra farany ireo namoy ny ainy tamin'izany.

Misy 17 amin'ny 38 fianakaviana anefa no nanambara fa ny fanjakana no tompon'antoka voalohany amin'ny tsy fanjarian'izany tetezana avo be izany, ka tsy ny zanak'izy ireo maty no andeha atao fialana vokona hanaovana fisehosehoana, nefa ny tandrametaka amin'ny fanaraha-maso ny fotodrafitrasa goavaan toy itony no anton'ny fianjeren'ny tetezana fa tsy resaka varatra nipoaka izany.

Mbola mitohy moa ny fikarohana sy fanalana ireo béton nirodana, satria araky ny fantatra dia mbola misy olona tsy hita popoka, ka sao mbola tavela ao ambany ao. Folo andro eo no filazan'ireo mpamonjy voina no mety mbola hisian'ny olona velona amin'itony karazana loza itony. Manohy ny asa fikarohana miaraka amin'ny alika sy ny fitaovana isan-karazany izy ireo.

Tehaka moa no nandraisana ireo mpamonjy voina ao amin'ny toerana anaovana ny fiaraha-miory.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.