Zandarimariam-pirenena: Firahalahiana sy fitaizana

  • samedi, 18 août 2018 10:49
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Natomboka tamin'ny fomba Ofisialy ny alakamisy 16 aogositra ary hifarana ny sabotsy 18 izao ny fifaninanana hiadiana ny Amboaran'ny Kaomandin'ny CIRGN Analamanga, izay ny vondrontobim-paritry ny Zandary Antsirabe no mandray izany.

Taranja ara-panantanjahantena miisa 3 no hifaninananan'ireo Zandary avy amin'ireo vondrontobim-paritra miisa 4 eto Analamanga dia ny atletisma sy ny volley ary ny baskety izany.

Tanjona hoy ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, Komandin'ny CIRGN dia ny hametrahana ny firahalahiana eo amin'ny samy Zandary, no fitaizam-batana, izay ilain'izy ireo amin'ny asany ihany koa.

Anio sabotsy moa no hanolorana ny amboara ho an'ireo izay mendrika izany. Ankoatra an'i Vakinankaratra dia Itasy sy Analamanga ary i Bongolava no mandray anjara amin'ny lalao.

Notsipihina moa fa tsy mandray anjara amin'ny hetsika ireo Zandary manana kara-pilalaovana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.