Fampianarana: Nivoaka ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2018-2019

  • jeudi, 19 juillet 2018 14:19

Raha tsy mbola fantatra ny ho fiafaran’ity taom-pianarana 2017-2018 ity dia efa namoaka ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Koa hitsinjara roa volana in-dimy izany:

* Hanomboka ny 19 novambra 2018 ny fidiran’ny mpianatra ary hifarana ny 30 aogositra 2019;
* 22 desambra 2018 ka hatramin’ny 6 janoary 2019 ny fialantsasatry ny Krismasy;
* 27 febroary ka hatramin’ny 1 marsa 2019 ny Andron’ny sekoly;
* 20 aprily ka hatramin’ny 28 aprily 2019 ny fialantsasatry ny Paka;
* Mifarana ny 30 aogositra 2019 ny taom-pianarana.

Mikasika ireo datim-panadinana indray dia:

* Ny talata 3 septambra 2019 ny CEPE;
* 23 septambra ka hatramin’ny 26 septambra 2019 ny fanadinana BEPC;
* 29 sy 30 oktobra 2019 ny fanadinana CAE/EP;
* Ary ny 26 sy 27 novambra 2019 ny fanadinana CAP/EP.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.