Fianarantsoa: Naato ny fanadinana EPS

  • mercredi, 18 juillet 2018 12:16

Nanomboka ny 16 jolay ny fanadinana fanatanjahan-tena bakalorea eto Fianarantsoa sy ny manodidina, saingy naato izany taorian'ny fivoriana ny harivan’io ihany. Notontosaina tao amin'ny biraon'ny Prefe izany fihaonana izany.

Raha ny tokony ho izy dia maharitra 15 andro ny fotoana anatanterahana ity adina ara-panatanjahantena ity. Efa nahazo fiantsoana, na convocation, ireo mpianatra hiatrika izany. Fa nihaona ny mpikambana ao amin'ny Sempama eto an-toerana sy ny mpanadina EPS ary ny solontenan'ny Ofisy misahana ny bakalorea, ka noraisina io fanapahan-kevitra niraisana io.

Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, iza no nandefa sy nizara ny fiantsoana ireo mpianatra mba hanatrika ny fanadinana ireo?

Ny adihevitra mitoetra ihany koa dia mahasahana ny mpiadina eto Fianarantsoa irery izao fanapahan-kevitra izao, fa efa tontosa ny any amin'ny faritra hafa toa ny an'i Vatovaty Fitovinany.

Mitohy arak'izany ny tolona tanterahan'ny Sempama eto an-toerana eo ampiandrasana ny famaliana ny fitakian'izy ireo ho an'ny mpampianatra manerana ny Nosy.

Manamafy ny mpampianatra, izay nampita ny vaovao fa miaato manomboka ny 17 jolay ny fanadinana EPS eto Fianarantsoa. Teo ambany fitarihan'ny prefen'i Fianarantsoa no nanapahana izany. Nanampy tamin'ny fikaroham-bahaolana ny tenany manoloana ny tranga niseho.

Resaka fandaminana eo anivon'ny OMC sy lafiny ara-teknika no antony nampiatoana ny fanadinana ara-panatanjahantena bakalorea, hoy ihany ny prefen'i Fianarantsoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.