Sambava: Vary simba 10 taonina no nodorana

  • vendredi, 06 juillet 2018 19:01
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nampiahiahy ny mponina ny nanovan’ireto mpanafatra vary tampoka ny lokon’ny gonim-bary ka nanavaka ny vary simba sy lo tamin’izay mbola azo raofina.

Niditra an-tsehatra ny avy amin’ny sampandrahanan’ny varotra rehefa nahazo fampilazana mialoha ka niroso tamin’ny figiazana sy famotehana ireo vary samba miisa 200 gony ireo, omaly 05 Jolay, mba tsy hiparitaka ka hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka.

“Sady nodorana no nalevina”, hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana aty SAVA, Be Christophe.

Miantso ny mpandraharaha rehetra aty SAVA ihany koa izy raha misy entana, indrindra sakafo, misy fahasimbany mba hampilaza mialoha satria sarobidy ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.