Madirovalo Ambato-Boeny: Tanimbary 300ha no avotra ho azo volena indray

  • jeudi, 05 juillet 2018 20:22
  • Sary nomena

Difotry ny rano sy atsanga tamin’ny 1995 ny velaran-tany 300ha tao an-tanànan’i Adamalandy ary tsy afaka novolena.

Nanapa-kevitra ny Fokonolona tompontany fa hanokatra lakandrano vaovao hahafahana manondraka indray io velarantany io ho azo ambolem-bary. Mirefy 3,5km ny halavan’ny lakandrano nohadiana, ary efa nanomboka roa volana lasa ny asa momba izany.

Nanolotra vola 25 tapitrisa Ariary ho fandraisana anjara sy fanohanana ny fanatanterahana ity asa ity, ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fandalovany tany an-toerana ny 17 mey 2018.

Heverina ho afaka hanetsa tsy ho ela amin’io toerana io ny mponina ao Madirovalo ary tokantrano 400 tafo eo no hahazo tombontsoa amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.