Vakinankaratra: Faritra manana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

  • vendredi, 29 juin 2018 19:15
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nampahafantarina ny mpanao gazety ny alakamisy 28 jona 2018, teto Antsirabe ny hetsika « Andro Nasionaly hoan’ny Fanjarian-tsakafo », andiany faha 14, izay ho tontosaina manoloana ny gara ny 6 sy ny 7 jolay 2018 ho avy izao . Ny foibem-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo na ny ONN no tompomarika amin’io hetsika mandritra roa andro io.

Isan’ny mbola nisafidianana an’i Vakinankaratra hanaovana ity hetsika ity moa ny mbola fananan’ity faritra ity taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny kilonga, izay mbola mahatratra 65,3% izany.

« Ankohonana sehatry ny fanjarian-tsakafo lavorary, fanoitra ho an’ny fampandrosoana », moa no lohahevitra nampitondraina ity hetsika andiany faha-14 eto Antsirabe ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.