Antso nataon’ny Filoha: Namaly bontana ny sendikan’ny mpampianatra aty Vakinankaratra

  • vendredi, 29 juin 2018 14:05
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Na nisy aza ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Repobilika sy ny Praiminisitra, hiantso ny mpampianatra hiverina hampianatra dia namaly bontana izany ny sendikan’ny mpampianatra ato Vakinankaratra.

“Ataovy tonga any am-paosin’ny mpampianatra avokoa, tahaka ny natao tamin’ny mpitatitra aloha ny tombontsoanay dia hiverina hampianatra ihany koa izahay”, hoy ireo mpampianatra, izay nidina an-dalambe teto Antsirabe androany zoma 29 jona, niala teo amin’ny biraon’ny DREN nihazo ny biraon’ny Cisco, saingy tsy nahita mpiasa tao.

Nambaran'i Raparison Antsamahery, mpitondra tenin’ireo sendikan’ny mpampianatra fa mbola fampanatenana poak’aty no nataon’ny Praiministra ka raha tsy mivaly sy azon’izy ireo izany tsy hampianatra izy ireo.

An’ny tompon’andraikim-panjakana, manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny tsiny satria izy ireo no tsy mamaly ny fitakian’ny mpampianatra fa ny an’ny hafa efa voavaly avokoa.

Milaza ny hanao hetsika goavana, hidina an-dalambe ireo mpampianatra ato Vakinankaratra ny herinandro hiditra io mba ho fanta-bahoaka ny fitakiana ataon’izy ireo, raha mbola manampin-tsofina ny fitondram-panjakana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.