Fitrandrahana fasimainty Tolagnaro: Samy midina an-dalambe ny tompon-tany sy ireo manan’asa ao amin’ny QMM

  • vendredi, 29 juin 2018 13:14
  • Sary Gasypatriote Tolagnaro

Fihetsiketsehana roa sosona no miseho eto Tolagnaro androany maraina. Andaniny ireo mpiaramiombon’antoka (contractants) amin’ny orinasa mpitrandraka fasimainty QMM izay maneho ny alahelo sy ny hatezerany noho ny tranga miverimberina tato ho ato amin’ny fitakiana izay ataon’olona izay efa nahazo ny tambiny tamin’ny taniny lasan’ny fitrandrahana eo amin’ny lalana tsotra sy ny lalam-pirenena ka manakana izany ary manohitohina mpandrandraha maro sy ireo rehetra izay tokony misitraka iny lalana iny.

Etsy ankilany, nidina an-dalambe nilahatra ihany koa ireo tompon-tany niaraka tamin'ny Solombavambahoaka voafidy tato Tolagnaro Hatrefindrazana Jerry, rehefa avy nivory nanoloana ny lapan’ny Fitsarana androany maraina nitaky ny hamoahana ireo mpitarika azy ireo, miisa efatra, nampidirina am-ponja vonjimaika omaly taorian’ny sakana nataon’izy ireo. Hatao amin'ny alakamisy 5 jolay ny fitsarana azy ireo.

Mizotra ampilaminana ny fihetsiketsehana hatramin'izao. Ambenan’ny Zandary kosa ny fonja sy ny Fitsarana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.