EPP Soarano – Antananarivo: Hiova ny fitantanana

  • jeudi, 14 juin 2018 10:14
  • Sary CUA

Nandray fanapahan-kevitra miaraka ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mikasika ny fitantanana ilay toeram-pivarotan’ny Sinoa eo amin’ny EPP Soarano, Boriborintany I Antananarivo Renivohitra.

Tapaka fa ahato ny fifanarahana natao tamin’io Sinoa io teo aloha izay efa tapitra tamin’ny taona 2016, maro ihany koa ireo fitarainana maro voaray, hoy ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanànan‘Antananarivo Andriamorasata Julien.

Nanambara ity farany fa manomboka izao dia ny Vaomiera iraisan’ny roa tonta miaraka amin’ny fikambanan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Soarano no hisahana ny fitantanana. Hisy arak’izany ny “Appel à manifestation d’intérêt” hisokatra ho an’ny rehetra izay liana amin’ny fitantanana indray io tsenam-barotra ao amin’ny EPP Soarano io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.