×

Avertissement

Échec du chargement du fichier XML

Sambava: Notapahin’ny tompony ny famatsiana herinaratra ny JIRAMA

  • mercredi, 13 juin 2018 18:38
  • Sary Gasypatriote Sambava

Maizina ny tanàna eto Sambava nanomboka androany. Notapahan’ny orinasa mpamokatra herinaratra ho an’ny JIRAMA ny famatsiana. Trosa miavosa aman-jatony miliara, tsy voaloan’ny JIRAMA no anton’io fanapahan-kevitra io.

Raha ny loharanom-baovao dia vola roa miliara, ampahan-trosa tokony haloan’ny JIRAMA, no nangatahan’ny mpampanofa ireo milina mpamokatra herinaratra, hoefaina. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia misedra olana ara-bola ny JIRAMA ka tsy manana fahafahana handoa io vola io raha tsy any amin’ny volana aogositra 2018 any.

Manoloana izany dia “hojerena ny vahaolana haingana ary antenaina fa tsy ho ela” hoy ny Talen’ny JIRAMA sous Groupement Sambava, Atoa Hubert.

Mety hiitatra amin’ireo renivohitry ny Distrika samihafa aty SAVA sy Analanjirofo ary Atsinanana, sy tanàna toa an’Ampanefena ity fanapahana herinaratra, vokatry ny trosa be baben’ny JIRAMA ity.

Marihina fa ny Loholon’i Madagasikara, avy amin’ny antoko HVM, Befototo Angelin no tompon’ny orinasa mampanofa milina mpihary herinaratra amin’ireo tanàna ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.