Sambava: Facebook no nahitana ny zanaka notadiavina tao anatin’ny 23 taona

  • lundi, 11 juin 2018 11:12
  • Sary nomena Gasypatriote Sambava

Ny volana Jona 2018 no indro tonga teo ampelatanan’ilay reny antsoina hoe: Rasendrasoa Harivolo avy any Andapa ny taratasy avy tany Frantsa, izay avy tamin-dRtoa Catherine Faucouit, monina any BOLLENE, izay nanambara fa tsy maty tsy akory ny zanakao fa salama ary lehibe no sady efa manana asa manokana, ary milamina ny fiainany. Dia indro ny sariny maromaro ireto nanomboka tamin’ny faha enin-taona fa ny anarany izay Ramafisoavelo Justina (teraka ny 1990 tao Antalaha) dia niova anarana hoe Justina Faucouit.

Raha tsiahivina dia noraisin’ny tobin-dry masera Fille de Marie tao Antalaha i Justina fony mbola kely. Raha vao feno 5 taona izy, dia nisy vazaha tsy manan-janaka nangataka zaza ho hatsangana tao amin-dry masera, ka raha vao lasa dia sarotra ny hampahafantatra izany mazava ny reniny na dia niezaka im-betsaka ity reny ity nitalaho ny mba hanoroana azy aiza no nandefasana ny zanany ary ny adiresy mazava momba ny nitaiza azy ?

Hany heriny dia nitalaho, niantso fanampiana tamin’ny olona rehetra maneran-tany tao amin’ny facebook, telo volana lasa izay mba hitady an-janany ka izao vao nifankafantatra ary nifanoratra.

Asa mba ahoana kosa ny fihetseham-pon’i Justina Faucouit rehefa nahalala ny reniny aty Madagasikara izao?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.