Fianarantsoa: Niandraikitra ny tarika manao tantara tsangana ireo mpampianatra teny Frantsay

  • vendredi, 08 juin 2018 14:33
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nitombo ny isan'ny sekoly mandray anjara amin'ny fifaninanana tantara tsangana amin'ny teny frantsay avy eto Fianarantsoa, na dia eo aza ny toe-draharaha sy fitokonana tanterahan'ny mpanabe.

Miakatra hatrany amin'ny 28 ny isan’ireo toeram-pianarana nandefa solontena ireo eto Fianarantsoa sy distrika manodidina ary ny faritra hafa aty an-toerana.

Tanterahana eny amin'ny CAPR Mahamanina manomboka ity zoma 8 jiona ity ny fifanintsanana aty amin'ny faritra, ka hifarana ny sabotsy 9 jiona. Ho tanterahina any Antananarivo ny 19 jiona izao kosa ny dingana famaranana.

Marihina fa nanao diabe fitakiana ny zon'ny mpiasam-panjakana ny vovonan'ny sendika ity andron'ny zoma ity ka maro an'isa tamin'izany ny mpikambana ao amin'ny SEMPAMA.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.