Antsirabe: Fanentanana amin’ny fihinanana sakafo azo antoka sy tsara

  • samedi, 02 juin 2018 08:31
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Ny Tanànan’Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantrano ny fankalazana nasionaly ny « Androm-pirenena ho fampiroboroboana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao » tamin’ity toana ity. Notanterahina nanoloana ny tsangambaton’ny fahaleovantena izany ny zoma 01 jona 2018.

Tanjona ny hampahafataran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny antony tokony hihinanana sakafo ara-pahasalamana sy tsara mba hanana fahasalamana tsara ihany koa.

Nanentana ny rehetra ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Andriamanarivo Mamy Lalaltiana, izay mpiahy an’i Vakinankaratra mba hiteny sy handray fepetra raha misy tranga hita ka mikasika izay fahadiovana ara-pahasalamana izay.

Vitsy ireo mpandray anjara tamin’ny tranoheva na dia ireo mpivarotra hanimasaka aza no voalaza fa nentanina sy nomena sehatra. Ny mpianatry ny CEG Soamalaza ihany koa no navoaka hanotrona izany hetsika izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.