Mpilatsaka an-tsitrapo: Amerikanina 44 mianadahy nanao fihanianana

  • jeudi, 17 mai 2018 20:11
  • Sary nomena

Nampanao fihanianana mpilatsaka an-tsitrapo tao amin’ny Corps de la Paix miisa efatra amby efapolo ny Mpiandraiki-draharaha Amerikanina Stuart Wilson ny andron’ity alakamisy 17 mey 2018 ity; izany dia natao teny amin’ny toeram-piofanana Mantasoa. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo.

Nahavita fiofanana nandritra ny telo volana izy ireo; fiofanana momba ny fomba sy teny malagasy, ary teknika mifanaraka amin’ny sehatra misy azy ireo. Izao izy ireo dia vonona ny hiasa any amin’ny tanàna izay hiasan’izy ireo mandritra ny roa taona.

Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 163 no eto Madagasikara amin’izao, izay miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana, fambolena ary fahasalamana. Efa mihoatra ny 1310 ny isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa niasa teto Madagasikara nanomboka ny taona 1993.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.