LTP Mahajanga: Tonga namaha olana ny delegasiona avy any Antananarivo

  • jeudi, 17 mai 2018 15:51
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Faha-efatra herinandron'ny fitokanana sy nahatapaka ny fampianarana teo anivon'ny LTP Mahajanga, tonga taty an-toerana ny avy amin'ny ministera mpiahy izay notarihin'ny sekretera jeneraly namaha ny olana.

Navory ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny tompon'andraikitry ny sekoly ary ireo mpitokona an-kilany. Naharitra ora maromaro ny fifanazavana.

Efa nampifanatonina ihany koa ny mpitantana ny sekoly sy ireo mpikomy ny tapak’andro maraina.

Raha ny nampitaina tamin'ireo ray aman-dreny sy ireo mpianatra, efa nivaha ny olana ary hiverina ny fampianarana ao aorian'ny fetin'ny pentekosta, izany hoe : ny talata 22 mey ho avy izao.

Raha ny tsikaritra anefa, mbola nisoritra teny amin'ny endrik'ireo mpitokona ny tsy fahafaham-po tamin'ny fifampidinihina. Ho hita araka izany ny fidirana amin'ny talata ho avy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.