Fianarantsoa: Mitombo fahasalamana i Elisabeth kely

  • jeudi, 17 mai 2018 14:53
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nivoaka ny hôpitaly ny andron'ny 19 aprily lasa teo i Elisabeth kely, zaza 15 volana voatifitry ny dahalo tao Isandra.

Mamaly amin'ny fiantsoana azy i Elisabeth saingy tsy afaka miteny izy taorian'ny dona nahazo azy ary malemy ihany koa ny ilany havanana.

Mankasitraka an'ireo rehetra malala tanana nandray anjara tamin'ny fitsaboana, sy ireo rehetra nitondra am-bavaka azy ny ray aman-dreniny ary manao antso avo amin'ny Fitsarana sy ny Fitondrana mba hanara-maso ny fampiharana ny lalàna momba ireo nahavanon-dratsy nanafika azy ireo.

Notsaboina teny amin'ny Hopitaliben'i Tambohobe i Elisabeth, zazavavikely vao 15 volana, noho ny ratra sy dona nahazo azy tamin'ny tifitra nataon'ny dahalo azy ny tolak'andron'ny zoma 16 marsa lasa teo tany Isandra.

Ny rainy moa no isan'ny nenjehin'ny dahalo fa tafatsoaka, niaraka tamin'ny fianakaviany, fa Elisabeth kely no tratran'ny bala ka tavela tao anaty atidohany ny bala. Tsy nahatsiaro tena intsony i Elisabeth kely tamin'ny nitondrana azy tany amin'ny hopitaly.

Nifanome tanana tamin'ny fianakaviana avokoa ny olona na ireo fikambanana isan-tokony. Nanao ny farahaizany ihany koa ireo mpitsabo, ka dia velona soa aman-tsara izao i Elisabeth kely na dia nisy takaitra mavesatra aza.

Natolotra ny Fitsarana ity andron'ny alakamisy 17 mey 2018 tokoa ireo jiolahy miisa 5 izay nandray anjara tamin'io fanafihana nandratra an'i Elisabeth kely io. Voasambotry ny Zandary izy ireo vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny olontsotra nanome vaovao ary mbola karohina ny 15 hafa iray tarika aminy.

Hatreto dia tsy niverina any amin'ny fokontany Ambalamarina, Kaominina Andremalama, Distrikan'Isandra intsony ny fianakavian'i Elisabeth mba ho fiarovan'izy ireo aina. Mitohy arak'izany ihany ny fitsaboana etsy andaniny.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.