Fahasalamana: Mihitsoka anaty lalan-dratsy Ambilobe-Vohémar ireo vaksiny sy vitamina izay kendrena ho an’ny Reny sy ny zaza miisa 900.344 ato amin’ny Faritra SAVA

  • mardi, 15 mai 2018 19:34
  • Sary Gasypatriote Sambava

Fantatra io tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza omaly 14 mey 2018 tao Ampanefena, Distrikan’i Vohémar.

Noho ny haratsian’ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar io, hoy ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Dr Sevamana Serzhino, dia Ampanefena manokana no azo atomboka fa ny an’ny Faritra rehetra ato SAVA dia miandry ny fahatongavan’ireo tolotra izay mbola mihitsoka ao anaty lalan-dratsy.

Raha tonga amin’ity herinandro ity, dia any amin’ny alatsinainy 21 mey 2018 vao afaka hisitraka ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ho an'ny Reny sy ny zaza.

Oviana marina vao tena hanomboka io fanamboarana ny RN5A Ambilobe-Vohémar izay mampikatso zavatra maro aty amin’ny Faritra SAVA, hoy ny mponina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.