Sambava: Tany 52ha miteraka savorovoro

  • mardi, 08 mai 2018 14:26
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nangataka ireo mponina mba handraisan’ny Fanjakana fanapahan-kevitra maika ny hanomezana ny tany ho an’ny vahoaka.

Tany manana velarana 52ha no miteraka olana eto Andranoalanana. 7ha amin’io no voalaza fa lasan’ny mpanam-bola saingy tsy izay no miseho hoy ny mponina fa dia nofefeny tamboho ao avokoa ny tany manontolo.

Tonga taty an-toerana noho io olana io ny mpanolontsain’ny praiminisitra, Raholiniarivo Solonavalona Paolo Emilio, saingy manahy ny maro sao ho fampanginana politika no nahatongavany satria raha zohina ny tantara dia tsy misy sahy mikitika ity tany ity ireo solontenam-panjakana eto an-toerana fa ny misambotra sy mandefa olona any am-ponja no nisy hatramin'izay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.