Oniversitem-panjakana: Misokatra ny taom-pianarana 2017-2018

  • samedi, 05 mai 2018 10:32
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy taty Mahajanga ny taom-pianarana 2017-2018 ho an'ny oniversitem-panjakana sy IST manerana ny nosy, araka ny fanapahan-kevitra momba ny tetiandrom-pampianarana nandritra ny CoPRIES. Tokony ho tamin'ny volana desambra 2017 no nanombohan'ny taom-pianarana saingy tara izany noho ny olana isan-karazany toy ny fitokonana.

Nambara tamin'ny fomba ofisialy fa efa tafiditra ny Wifi azon'ny mpianatra rehetra sitrahana iatrehana ny rafim-pampianarana LMD.

Notokanana ihany koa ny trano vaovaon'ny IUGM (Institut Universitaire de Gestion et Management), miaraka amin'ny fitaovana sy ny fanaka rehetra izay natao ho birao fiasan'ny talen'ny sampam-pampianarana sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha. Napetraka koa ny vatofototra ho an'ny « amphithéâtre » vaovao natokana hianarana.

Ho an'ny oniversiten'i Mahajanga, ny lalam-piofanana ho mpitsabo sisa no tsy mbola manomboka ny fampianarana.

Mbola olana goavana anefa ny resaka tranon'ny mpianatra satria tsy afaka ny hisitraka ny trano izy ireo amin'ity taom-pianarana ity noho ny fanamboarana ireo bloc tsy mbola vita. Efa nisy anefa ireo mpianatra izay niditra an-keriny amin'ny trano ny talata lasa teo. Andrasana ny fepetra ho raisin'ny mpitantana ny oniversite.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.