Fanambarana iombonana avy amin’i Etazonia, Royaume-Uni, Vondrona Eoropeana, ary i Alemana

  • lundi, 30 avril 2018 21:54

Tamin’alahelo tokoa no nandrenesanay ny raharaha fanondranana an-tsokosoko karazan-tsokatra arovana manokana maherin'ny 10.000 tany Toliara tamin'ny herinandro lasa teo, ary tsapanay fa mbola goavana ny ady atrehina amin’io sehatra io, anisan’izany ny fangalarana ireo sokatra izay efa nogiazana ary koa ny fahitana fa maro ireo sokatra no novonoina mba atao sakafo.

Na eo aza izany dia miarahaba ny fandraisan’andraikitra haingana sy mirindra nataon’ny governemanta izay nitarika tamin’ny famerenana ireo biby sy ny fisamborana olona telo ahiahiana ho tompon’antoka tamin’izany. Miarahaba manokana ny Sampandraharaham-paritry ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ekolojia ary ny Ala ao Toliara (DREEF), ny Mpampanoa Lalàna amin’ny maha-solontenan'ny Minisiteran'ny Fitsarana any an-toerana azy sy ny BIANCO ao Toliara ary ireo manampahefana avy amin’ireo Fokontany any an-toerana noho ny fiaraha-miasa sy ny faharetan'izy ireo manokana tamin'ity raharaha ity.

Etsy ankilan’izay, dia miantso ny governemanta izahay mba hanafaingana ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ireo sokatra efa voavonjy ary hanohy tsy tapaka ny fanadihadiana, ka hampihatra ny lalàna sy hanasazy ireo izay rehetra voasaringotra amin’ity raharaha ity, anisan’izany ireo olon-dratsy tsy mataho-tody mpanome baiko sy mpandray tombony amin’izao fanondranana an-tsokosoko izao.

Koa satria ny ankamaroan'ireo sokatra ireo dia saika haparitaka eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, dia tsy hainay ny tsy hiresaka momba ny lafiny famarotana an-tsokosoko ireo biby ireo, ary vonona izahay ny hanolo-tànana amin’izay fomba rehetra mety eo amin’ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena mpanjifa mba hanafoanana ny tinady eo amin’ny fanjifana sokatra.

Ny famarotana an-tsokosoko ireo zavamanan’aina arovana ireo dia olana iray izay misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainana, ny fandrosoana ara-toekarena isam-paritra, sy ny firindran’ny fiaraha-monina ary ny filaminana eto Madagasikara. Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao mba hanafoanana izao fomba fanao mandika lalàna izao, anisan'izany ny fandraisan'anjaran'ny sehatry ny fampiharana ny lalàna miainga amin’ny fisamborana ireo olona ahiahiana, mandalo amin'ny fanadihadiana ka hatrany amin’ny fanenjehana sy ny fanamelohan’ny fitsarana.

Na dia voafetra aza ny tetibolan'ny fanjakana, dia miantso ny governemanta izahay mba hanome ny hoenti-manana ampy ho an’ireo sampandraharaha miandraikitra ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra indrindra ireo sampandraharaha eny anivon’ny faritra sy ny kaominina mba hahafahan’izy ireo manatanteraka tsara ny asany any amin’ny faritra misy azy ireo avy.

Ity raharaha ity dia tranga lehibe iray ahafahana maneho amin'ny vahoaka Malagasy sy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy azo ekena ny fanondranana an-tsokosoko ireo biby voaaro eto Madagasikara ireo, ary ireo izay tompon’antoka amin'izany - na inona na inona andraikitra sahaniny - dia hovoasazy arak’izay heloka nataony.

Ny Masoivoho Amerikana

Ny Masoivoho Britanika

Ny Delegasion'ny Vondrona Eoropeana

Ny Masoivoho Alemana

Antananarivo, 30 Aprily 2018

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.