Oniversiten'i Mahajanga: Tsy mbola misy hevitra ny hiverenan'ny mpianatra amin'ny trano

  • mardi, 24 avril 2018 23:03
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Mbola ny Bloc miisa 5 amin'ireo tokony ho hasiana fanamboarana ihany no vita hatreto kanefa ny volana aprily no fe-potoana nomena ireo mpianatra sy ny Ray aman-dreny fa ahafahan'ireo mpianatra miverina ao amin'ny trano taorian'ny savorovoro sy ny fanadiovana noho ny aretina pesta.

Tsy mahazaka afa-tsy mpianatra 180 ireo efitrano nasiam-panamboarana ireo satria misy efitrano 6 ny Bloc iray ary vinavinaina ho mpianatra enina isaky ny efitrano.

Hatramin'izay, gaboraraka ny fitantanana ireo Bloc teny amin'ny Campus, nahatratra 12 isaky ny efitrano. Tsy mbola nisy fanamboarana kosa ireo trano eny amin'ny Cité Tsaramandroso ary na ireo compteur teny an-toerana aza very tsikelikely rehefa nesorina tsy nipetraka teny ireo mpianatra.

Omaly dia nisy ny fihaonana teo amin'ny tompon'andraikitry ny oniversite, ny Mpianatra sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra ary ny OMC izay notarihin'ny Prefen'i Mahajanga. Fihaonana izay nampahafantarana ny tena zava-misy tamin'ireo mpianatra sy Ray aman-dreny mahakasika ny fitsinjarana ny trano. Tsy nahafapo ireo olona nampanatsoina ireo araka izany ny fanapahan-kevitra ny amin'ny tsy mbola hampidirana ireo mpianatra amin'ny trano. Fanapahan-kevitra izay noraisina mba tsy hisian'ny tombo sy hala amin'ny fisitrahana ny trano.

Miisa 7000 ny mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga ankehitriny. Raha ny lamina anatiny, mifarana ny faran'ny volana aprily izao ny fandraisana ny fangatahana hisitraka ny tranon'ny Mpianatra. Hatreto, mbola mpianatra 300 no naka ny “demande de logement” teo anivon'ny oniversite ary ny 250 amin'ireo no efa nanatitra izany.

Mbola mihenjan-droa ihany ny tady araka izany eo amin'ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny oniversite. Ny oniversite tsy afa-manoatra fa tsy maintsy miandry ny ministera amin'ny famitana ny fanamboarana, ny ray aman-dreny sahirana satria tsy maharaka ny fandaniana amin'ny fanofana trano sy vidin-jiro.

Efa mandeha avokoa anefa ny fampianarana rehetra ankoatra ny lalam-piofanana manofana ho mpitsabo. Mbola tolona iray lehibe ny famahana ny olan'ny anjerimanontolo manerana ny nosy satria tsy Mahajanga irery ihany no misedra olana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.