Mpitsara voatifitra tao Fianarantsoa: « Valifaty », hoy ny Ministeran’ny Fitsarana

  • lundi, 16 avril 2018 10:34

Nanao fanambarana nampahafantatra ny nitranga tao amin’ny tranon’ny ny Filoha Lefitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Fianarantsoa, ny ministeran’ny Fitsarana omaly 15 Aprily 2018.

“Notifirin’ireo mpanafika izy ka voatifitra teo amin’ny lohany. Nafindra eto Antananarivo (EVASAN) izy ary efa mahazo fitsaboana amin’ny hopitaly lehibe iray eto Andrenivohitra. Tsy misy atahorana ny ainy.

Efa nandray andraikitra ny manam-pahefana tany an-toerana ka nahafantarana fa efa nisy olon-dratsy nanafika fivarotana teo akaikin’ny tranon’ity mpitsara ity ny andro voalohany. Nisakana izany ity mpitsara ity ka nandamoaka ny fanafihana.

Rehefa nanafika ny tranon’ity mpitsara ity kosa ireo olon-dratsy ny ampitson’iny dia tsapa fa tsy halatra no tena anton-dian’izy ireo fa valifaty satria nopotehany ny ankamaroan’ny entana tao an-trano ka izay voarain’ny tanany ihany no nalain’izy ireo ary nitifitra ilay mpitsara no tena anton-dian’izy ireo », hoy ny fanambarana.

Tonga namangy ity mpitsara ity tao amin’ny hopitaly Ramatoa Rasolo Elise, Ministry ny Fitsarana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky nampiseho firaisankina tamin’ny ity mpitsara ity ary nankahery azy sy ny fianakaviany.

Manameloka tanteraka ny fanafihana ity mpiasan’ny Fitsarana ity Ramatoa Ministra ary nanome toky fa atao izay rehetra ahitana ny marina ary anasaziana mafy ireo nahavanon-doza. Mendri-piderana ny fahasahian’ity mpitsara ity niaro ny mpiara-monina aminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.