Fanabeazana mampiaty: Mifanakalo traikefa Antsirabe sy Toamasina

  • jeudi, 12 avril 2018 11:01
  • Sary nomena

Tontosaina eto Toamasina amin’izao fotoana izao ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny faritra roa dia Toamasina sy Antsirabe, momba ny tetikasa fampiatiana ireo olona tra-pahasembanana. FANILO VOIZO CBID moa no anaran’izany tetikasa izany, ka mijery lalina ny fampahaleovantena ireo tra-pahasembanana, ny fampananana asa azy ireo, ny sehatra sosialy, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.

Misy koa ny fitsidihana ireo sekolin’ny jamba sy ny marenina, ary ireo sekoly mampiaty eto Toamasina.

Efa lasan-davitra tokoa io ezaka fampiatiana io raha eto Toamasina manokana no nozohiana satria efa saika hita taratra amin’ireo fotodrafitrasam-panjakana misy eto an-toerana izany, toy ny eo amin’ny araben’ny fahaleovantena, ny eny amin’ny hopitaly ary ny eny amin’ny Trésor sy ireo banky tsy miankina samihafa.

(Fampiatiana= Ho an'ny rehetra - Education inclusive, ireo olona manana fahasembanana moa no tena iantefan'ny resaka eto, ohatra ny fanamboarana foto-drafitrasa mba jerena ny ahafahan'ny olona manana fahasambenana ampiasa azy, rampe, habehan'ny varavarana, ny WC natokana ho azy ireny, ny repère ho an'ny jamba...)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.