Dama: Namaly babena ny Sekoly Seminera Mandaniresaka Antsirabe nianarany

  • samedi, 07 avril 2018 21:12
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Manamarika ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroany ny Sekoly Seminera Mandaniresaka-Antsirabe. Isany nanamarika izany ny valan-dresaka niarahana tamin'i Dama (Mahaleo).

Lohahevitra novoaboasany tamin'ireo tanora mpianatra tao amin'ity sekoly ity ny "valibabena ho an'ny taniko", inona no tokony hataontsika ho an'i Madagasikara, izay nahitana soa ka tokony ho valiana soa.

Nahaliana ireo mpianatra tanteraka moa ny famelabelarana ka sesilany ny fanontaniana.

Marihina fa valibabena ho an'ity sekoly nianarany ity amin'izao jobily izao no nanaovan'i Dama ny hetsika.

Raha tsiahivina dia efa solombavambahoka voafidy tao Antananarivo sy Ambatofinandrahana i Dama.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.